![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/74/Alt_Telefon.jpg/640px-Alt_Telefon.jpg&w=640&q=50)
Telefaonina
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny telefaonina (na telefaona) dia fitaovana ampiasaina amin'ny fifandraisan-davitra izay noforonin'ny olom-pirenena amerikanina A. Graham Bell tamin'ny 1876. Ny telefaonina dia mampita ny feon'olombelona amin'ny alalan'ny fiovaovan'ny zitina na ny rio anaty mpampita aratra (tariby).
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/74/Alt_Telefon.jpg/640px-Alt_Telefon.jpg)
Mba hahafahana mampiasa ilay telefaonina dia ilaina ny fotodrafitr'asa izay antsoina hoe "tambajotra telefaonika" izay mety tariby na antenina. Io fotodrafitr'asa io dia hofaina amin'ny alalan'ny famandrihana (abonnement) amin'ny orinasa fifandraisan-davitra.
Mba hahafahana mampisongadina ny olona antsoina amin'ny olona rehetra izay manana telefaonina ao amin'ny tambajotra manontolo, dia nomena laharana antso an-tariby (karazana adiresy) ireo telefaonina ireo. Ka rehefa tia hiantso telefaonina an'ny olona iray dia atsofoka iny laharana iny eo amin'ilay telefaonina, ary rehefa tafatsofoka ilay laharana dia maneno ny telefaonin'ilay olona antsoina, ary rehefa raisiny ilay telefaonina dia afaka mifandray ilay olona antsoina ary ilay olona miantso.
Misy vidiny daholo ireo antso an-tariby rehetra ireo afatsy ny antso hamonjena izay manana laharana manokana ary matetika fohy. Ka noho izay vidy izay dia tsena lehibe amin'ny fifandraisan-davitra ny telefaonina.