![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/f/f2/First_page_of_the_first_tractate_of_the_Talmud_%2528Daf_Beis_of_Maseches_Brachos%2529.jpg/640px-First_page_of_the_first_tractate_of_the_Talmud_%2528Daf_Beis_of_Maseches_Brachos%2529.jpg&w=640&q=50)
Talmodan' i Jerosalema
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Talmodan' i Jerosalema, izay antsoina hoe koa Talmodan' i Palestina na Talmodan' i Israely, dia fanangonan-dahatsoratra mirakitra ny fivoasana ny Misnà sy ny ady hevitra ny amin' izany izay nosoratan' ny raby tao Palestina hatramin' ny taonjato faha-2 ka hatramin' ny taonjato faha-5. Tsy tao Jerosalema akory no nanoratana an' io Talmoda io fa tany Galilea ny ankamaroany. Manampy ny Talmodan' i Babilôna ny Talmodan' i Jerosalema nefa io voalohany io no tena ampiasaina ao amin' ny fivoasan' ny jodaisma ny Torah.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/f/f2/First_page_of_the_first_tractate_of_the_Talmud_%28Daf_Beis_of_Maseches_Brachos%29.jpg/320px-First_page_of_the_first_tractate_of_the_Talmud_%28Daf_Beis_of_Maseches_Brachos%29.jpg)
Amin' ny teny hebreo dia atao hoe תַּלְמוּד יְרוּשַׁלְמִי / Talmud Yerushalmi ny Talmodan' i Jerosalema.