From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Sunan Abi Dawud (arabo: سنن أبي داوود / Sunan Abī Dāwūd) dia fanangonana hadita sonita (mitatitra ny teny sy ny asan' ny mpaminany silamo, Mohamady) tamin' ny taonjato faha-9 nataon' i Abu Dawud al-Sijistani (taona 817-888). Iray amin' ireo angona hadita enina lehibe (Kutub al-Sittah) izy io.
Nilaza i Abu Dawud fa tsy marina ny hadita sasany ao amin' ny bokiny, izay mampiavaka azy amin' ny fanangonana hadita Sahih al-Bukhari sy Sahih Muslim. Nanangona hadita miisa 50 000 ny mpanoratra, saingy 4 800 monja no tafiditra ao anatin' ity fanangonana ity.
Heverin' ny Sonita ho fahefatra amin' ny filaharana manan-danja amin' ny fanangonana hadita enina lehibe ity fanangonana ity, aorian' ireo sahihayn sy ny sunan nataon' i An-Nasa'i.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.