Soson-drivotry ny tany
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny soson-drivotran'ny tany dia fonona entona (rivotra) misy manodidon'ny tany ahafahan'ny fiainana misy ary ny rano miranoka nohon'ny tsindry. Ny rivotra maina dia misy azôty (78,08%), ôksizenina (20,95%), argôna (0,93%), diôksida karbônina (0,039%) ary etona hafa. Ny soson-drivotran'ny tany dia miaro ny fiainana eto an-tany amin'ny alàlan'ny fanakanana ny tanamasoandro ankoatra ny volomparasy (UV). Ny hafanana dia tazon'ny soson-drivotra mba hanakely ny elanelan-kafanana mba tsy hangatsiaka loatra rehefa alina ny andro ary mba tsy hafana loatra rehefa mazava ny andro.
Tsy misy faritra mazava manasaraka ny habakabaka sy ny soson-drivotra. Ny tsindry atmôsferika dia mihakely arakaraky ny haabo isiana ary manjavona tsikelikely izy rehefa tonga any amin'ny 120 km any ho any, satria eo amin'io haabo io dia efa tsapa ny vokan'ny fikasohana amin'ny rivotra amin'ny sambondanitra manana hafaingana avo be (miditra ao amin'ny soson-drivotra avy any amin'ny habakabaka). Ny tsipik'i Kármán, any amin'ny haabo 100 kilometatra, dia matetika lazaina fa mamaritra ny habakabaka sy ny soson-drivotran'ny tany.