Ny sora na antsora na ambiko dia biby mampinono mpihinana bibikely, mitsokotsolo vava sy misy volo maranitra toa tsilo, ao amin' ny fianakaviana Tenrecidae. Mamorona ny vondron-karazana Hemicentetes izy ireo.

Thumb
Sora an-tany avo (Hemicentetes nigriceps)
Thumb
Sora an-tany iva (Hemicentetes semispinosus)

Ny karazana roa voarakitra an-tsoratra amin' izao fotoana izao dia tsy misy afa-tsy eto Madagasikara, dia ny Hemicentetes semispinosus (sora an-tany iva) sy ny Hemicentetes nigriceps (sora an-tany avo). Ny voalohany (H. semispinosus) dia hita any amin' ny ala trôpikaly amin' ny tapany atsinanan' ny Nosy ary ny faharoa (H. nigriceps) dia hita any amin' ny ala mando sy hivoka amin' ny lembalemba any amin' ny faritra afovoan' i Madagasikara.

Thumb
Fitsinjaran' ny karazan-tsora eto Madagasikara

Ny halavan' ny vatan' ny sora dia mirefy 14 sm. Tsy manana rambo izy ireo. Ny sora an-tany iva dia lehibe kokoa noho ny sora an-tany avo. Samy manana vatana voarakotra volo tsilo sy volo tsotra mainty misy tsipika mazava lava ireo karazana roa ireo.

Ao amin' ny kolontsaina

Ohabolana malagasy

  • Mason-tsora, mason-tsokina : ny kely ananana ahiratra.
  • Sora nagnanto afo.

Jereo koa

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.