From Wikipedia, the free encyclopedia
I Somme dia departemanta frantsay ao amin'ny faritra Picardie, faritra any avaratry ny departemantan'i Oise. Ny renirano Somme no iavian'ny anaran'ilay departemanta mitovy anarana. Ny kaodin'ny departemantan'i Somme dia 80 ho an'ny la Poste ary ho an'ny Insee. Ao Somme koa no ahitana ireo anaran-tanàna fohy indrindra ary lava indrindra ao Frantsa : Y ary Saint-Quentin-la-Motte-Croix-au-Bailly.
Noforonina taorian'ny Tolom-piavotana frantsay, tamin'ny 4 Martsa 1790 io departemanta io, noho ny fampiharana ny lalàn'ny 22 Desambra 1789 avy amin'ny singa avaratry ny faritanin'i Picardie (ny Amiénois, ny Marquenterre, i Ponthieu, i Santerre ary i Vimeu).
Ny deoartemanta ankehitirny, afovoany ara-tantaran'i Picardie, dia tadiavina hananana noho ny fisiany eo anelanelan'i Paris sy ny Valandera. Toerana nisian'ny ady maro dia maro ny departemantan'i Somme, nandritry ny adin'i Galia, Adin'ny zato taona, adim-pinoana, adin'ny taona 1870, Ady lehibe voalohany ary ady lehibe faharoa.
Tamin'ny Ady lehibe voalohany, nanomboka tamin'ny 1916 ny adin'i Somme.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.