Skôlastika
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny skôlastika na skôlastisisma dia ny filôzôfia novolavolaina sy nampianarina tamin' ny Andro Antenatenany tany amin' ny oniversite: mikendry ny hampifanaraka ny filôzôfia grika (indrindra fa ny fampianaran' i Aristôty sy ny an' ny Peripatetisiana) amin' ny teôlôjia kristiana nolovaina tamin' ny Rain' ny Fiangonana sy tamin' i Anselme avy any Cantorbéry. Noho izany dia azo lazaina fa io no filôzôfian' ny Andro Antenatenany.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/6/62/St_Thomas_d%27Aquin_%281225-1274%29.jpg/228px-St_Thomas_d%27Aquin_%281225-1274%29.jpg)