Shiraz
From Wikipedia, the free encyclopedia
29.610310°N 52.531130°E / 29.610310; 52.531130
Shiraz | ||
Velarantany | NC | |
Isam-ponina | 1 249 942 mponina | |
Tanànan-dehibe | NC | |
Ben'ny tanàna | NC | |
Firenena | Iran | |
Faritany | Fars | |
Faritra | NC |
I Shiraz dia tanàna ao amin' ny faritany mizakatenan' i Fars, ao atsimo-andrefana amin' i Iràna, eo amoron' ny Hoala Persika. Izy nno tanàna fahadimy be mponina indrindra ao amin' io firenena io (1 249 942 tamin' ny taona 2018).
I Shiraz no foibe ara-barotra ao amin' ny faritra manodidina azy izay mamokatra voaloboka, voasary, landihazo ary vary. Ankoatra ny divain’ i Shiraz, izay efa taonjato maro ny lazany, ny asa ataon’ ny olona ao amin’ io tanàna io koa dia atokana amin' ny fandrafetana takela-kazo manify hanaingoana fanaka, ny asa metaly ary indrindra ny fanefena volafotsy, ny fanamboarana karipetra, ny fanaingoaa lamba amin’ ny volamena na volafotsy sy ny fanenomana karazan-damba hafa, ary ny fanamboarana simenitra sy zezika.