![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/1/11/Ivato_Intl_Airport_Antananarivo_Madagascar.jpg/640px-Ivato_Intl_Airport_Antananarivo_Madagascar.jpg&w=640&q=50)
Seranam-piaramanidin' Ivato
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny seranam-piaramanidin' Ivato na seranam-piaramanidina iraisam-pirenan' Ivato (IATA: TNR, ICAO: FMMI) dia seranam-piaramanidina iraisam-pirenena any Madagasikara, any avaratry ny tanànan' Antananarivo.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/1/11/Ivato_Intl_Airport_Antananarivo_Madagascar.jpg/640px-Ivato_Intl_Airport_Antananarivo_Madagascar.jpg)
Io seranam-piaramanidiana io dia seranam-piaramanidina namaboarina ho afaka mandray sidina iraisam-pirenena sy sidina any amin' ny faritra eto Madagasikara, izay miantoka ny sidina iraisam-pirenena sy sidim-paritra avy sy mankany amin' ny toerana 13 ary sidina anatiny (eto Madagasikara) avy sy mankany amin' ny toerana 11. Manana lalam-piaingana sy fipetahana mahatratra 3 100 m amin' ny 45 m ity seranam-piaramanidina ity. Ao no tena miasa ny orinasa mpitatitra Air Madagascar sy ny Madagascar Airways ary miisa 11 ireo orinasa iraisam-pirenena mampiasa azy io.