I Sasàna no mpanorina ny fianakavia-mpanjaka (dinastia) sasanida tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-3n araka ny tantara mifangaro fedrà persana. Tsy mazava ny rohim-pihavanan'ireo Sasanida voalohany (Sasàna, Papàka, Ardasira I ary Sapora I) ka sarotra ny manatsoaka hevitra raikitra.

Araka ny lovantsofina dia mpisorona tao amin'ny tempolin'i Anahita teo akaikin'i Persepolisy taloha i Sasàna. Ny vadiny atao hoe Ram-behista dia zanaky ny mpanjaka tao amin'ny fianakavia-mpanjakan'ny Bazrangy, ka isan'izany i Gôzira mpanjakan'i Istakra, izay tompoiny.

Tamin'ny andronan'ny zanany lahy atao hoe Papàka no azo lazaina fa nanomboka ny foanapahan'ny dinastia sasanida; izay avy ao afovoan'ny tany persiana akaikin'i Siraza ao Farsa. Na dia izany aza dia ny "andriamanjaka Sasàna" no voatondro ho mpanorina ny dinastia sasanida araka ny sora-tsokitra ao Naqsh-e Rostam, izay lahatsoratra natao ho fanomezam-boninahitra ny mpanjaka Sapora I zafikeliny.

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.