Ny Saraiky dia vondrom-poko ara-piteny indô-ariana teratany any amin' ny faritra atsimo-andrefana ao amin' ny faritanin' i Punjab ao Pakistàna. Foko maro ny niavian' izy ireo ary miteny saraiky.

Thumb
Lehilahy seraiky

Ao amin' ny faritra atsimo amin' i Punjab, fantatra amin' ny anarana hoe Saraik na Saraikistan, no tena ahitana azy ireo, ary koa any amin' ny ampahany be amin' i Derajat, izay any amin' ny faritra ihaonan' ny tapany atsimo-andrefan' i Punjab sy atsimo-atsinanan' i Khyber Pakhtunkhwa ary avaratra-atsinanan' i Balochistan. I Derajat dia faritan' ny ony Indosy any atsinanana sy ny tendrombohitra Sulaiman any andrefana.

Manaraka fivavahana maro ny Saraiky, na dia mpanaraka ny finoana silamo aza ny ankamaroany. Ny vitsy anisa amin' ny Saraiky dia manaraka ny kristianisma sy ny hindoisma ary ny sikisma. Taorian' ny fahaleovantenan' i Pakistàna tamin' ny taona 1947 dia maro ny Hindoa sy Siky nifindra monina tany India, fantatra amin' ny anarana hoe Moltany, Deraoy ary Baoalpory.

Jereo koa

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.