Sakramentan' ny fivalozana sy ny fampihavanana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny sakramentan' ny fivalozana sy ny fampihavanana ao amin' ny Fiangonana katôlika sy ao amin' ny Fiangonana ôrtôdôksa dia iray amin' ireo sakramenta fito. Ny tanjon' io sakramenta io dia ny famelàn' Andriamanitra ny fahotan' ny olona manao fivalozana. Atao hoe sakramentan' ny kônfesy na sakrametan' ny famelan-keloka na sakramentan' ny fampihavanana na sakramentan' ny fivalozana koa ity sakramenta ity.