From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Saikanosin' i Malezia na Saikanosy Maley na Saikanosy Malay na Saikanosin' i Malacca na Saikanosin' i Malakka dia saikanosy ao Azia Atsimo-Atsinanana izay manomboka ao amin' ny andilan-tanin' i Kra any Tailandy harany amin' ny andilan-dranomasin' i Johore. Ny tapany avaratra amin' io saikanosy io dia manasaraka ny Ranomasin' i Andaman amin' ny Helodranon' i Tailandy, ary ny tapany atsimo dia manasaraka ny Andilan-dranomasin' i Malacca amin' ny Ranomasin' i Sina atsimo.
Voazara amin' ny fanjakana efatra ny Saikanosy Maley: ny tapany atsimo amin' i Birmania, izay ao amin' ny tapany andrefana amin' ny faritra avaratra amin' ilay saikinosy, ny tapany atsimo amin' i Tailandy (ny afovoany), ampahany amin' i Malezia (ny tapany atsimo), ary ny tanànan' i Singaporo.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.