Rotsa-drano
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny rotsa-drano dia ilazana ny endriky ny rano rehetra ao mitsiranoka na mivaingana avy amin' ny atmôsfera. Ireo kristalin-dranomandry na teten-drano izay niharan' ny fivaingana sy ny fivangongoana ao anatin' ny rahona dia nanjary mavesatra loatra ka tsy afaka mihantona ao amin' ny atmôsfera ary milatsaka amin' ny tany na mietona ka tsy mahatratra ny tany. Atao hoe rotsak' orana izy raha milatsaka amin' ny endrika ranoka.
Amin' ny heviny miitatra, io andian-teny hoe "rotsa-drano" io dia azo ampiasaina amin' ny tranga mitovy amin' izany amin' ny planeta hafa na volana manana atmôsfera.