Rehôbôama
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Rehôbôama na Rôbôama dia mpanjakan'i Israely fony ity fanjakana ity mbola tsy nivaky taorian'ny nahafatesan' i Sôlômôna (na Salômôna) rainy (taona 932 tal J.K.) ary lasa mpanjakan' i Jodà taorian' izany (nifarana tamin' ny taona 915 tal. J.K.). Izy no niteraka ny fisarahan' ny Fanjakan' i Israely ho fanjakana roa tsy nifanaraka, araka ny voalaza ao amin' ny Baiboly. Resahina indrindra ao amin' ny Boky voalohan' ny Mpanjaka (1Mpanj. 12–14) sy ny Boky faharoan' ny Tantara (2Tant. 10–12) ny ady maharitra nifanaovan' ny fanjakan' i Jodà tarihin' i Rehôbôama sy ny fanjakan' i Israely tarihin' ny mpanjaka Jerôbôama I.