From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Ranomasina Maty dia farihy masira ao Palestina any Atsinanana-Akaiky eo anelanelan' i Jôrdania sy i Israely any andrefana. Mivarina ao aminy ny ony Jordana (na Joridany). Mirefy 1015 km2 ny velarany, 85 km ny halavany ary 17 km ny sakany. Any amin' ny 392 m ambanin' ny haavon' ny ranomasina ny misy azy. Farihy be sira loatra ny Ranomasina Maty (275 g/l raha tokony ho 2,4 g/l) ka tsy ahitana trondro na lomotra maitso afaka mivelo. Teo akaikin' ny morony, tao Kirbeta Komrano no nahitana ireo soratanam-piraketana manana ny lanjany lehibe amin' ny tantaran' ny Eseniana.
Ny anaran' ny Ranomasina Maty amin' ny teny arabo dia البحر الميت / al-Baḥr al-Mayyit na بحر لوط / Bahr-Lût izay midika hoe "Ranomasin' i Lota". Amin' ny teny hebreo kosa dia יָם הַמֶּלַח / Yâm HaMelaḥ, izay midika hoe "Ranomasin-tsira".
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.