From Wikipedia, the free encyclopedia
I Ptôlemaiôsy IV na Ptôlemaiôsy IV Filôpatôra dia mpanjaka sy faraon' i Egipta teo anelanelan' ny taona 222 tal. J.K. sy ny taona 204 tal. J.K., avy amin' ny fianakaviana lagida. Nandimby an' i Ptôlemaiôsy III Evergetesy rainy izy sady nodimbiasin' i Ptôlemaiôsy V zanany. Tamin' ny fanapahany no nanombohan' ny fihemoran' i Egipta ptôlemaika, noho izy tsy niraharaha afa-tsy ny filalaovana sy ny fihaingoana fa tsy ny hampandoso ny fanjakana sy ny vahoakany. Teraka tamin' ny taona 244 tal. J.K. sy maty tamin' ny taona 204 tal. J.K. izy. Atao hoe Πτολεμαῖος Φιλοπάτωρ / Ptolemaios Philopatôr io anarana io amin' ny teny grika. Ny hoe Philopatôr dia midika hoe "tia ray".
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.