![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/5/5f/Propithecus_verreauxi_002.jpg/640px-Propithecus_verreauxi_002.jpg&w=640&q=50)
Propithecus verreauxi
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Propithecus verreauxi na sifak' i Verreaux na sifa-bilany dia karazana sifaka fotsy fa mainty loha, ao amin' ny fianakaviana Indridae. Ity biby ity dia hita any amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i Madagasikara, izay tsy fahita afa-tsy eto amin' ny Nosy. Tena atahorana ho lany tamingana izy ireo na dia miely patrana aza. Iray amin' ny karazana sifaka sivy misy eto Madagasikara izy.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/5/5f/Propithecus_verreauxi_002.jpg/640px-Propithecus_verreauxi_002.jpg)