Patriarka (ao amin' ny Baiboly)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny patriarka dia ireo lehilahy telo mpanorina ny firenena jiosy izay resahina ao amin' ny Bokin' ny Jenezy (na Genesisy) aloha, dia i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, manampy azy ireo matetika i Jôsefa. Amin' ny heviny mivelatra dia atao hoe patriarka koa ireo olona rehetra voalaza ao amin' ny Baiboly fa niaina talohan' ny Safodrano, hatramin' i Adama.