Nestôrianisma
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny nestôrianisma dia foto-pampianaram-pinona ao amin' ny tantaran' ny Kristianisma izay milaza fa misy persôna sy natiora roa miara-misy ao amin' i Jesoa Kristy ka ny voalohany persôna sy natiora araka an' Andriamanitra fa ny faharoa dia persôna sy natioran' olombelona. I Nestôriôsy (na Nestôrio), patriarkan' i Kônstantinôpôly teo anelanelan' ny taona 428 sy 431, no niaro izany fampianarana izany. Nanameloka ny fampianaran' i Nestôriôsy ny kônsily tao Efesôsy (na Efezy na Efeso) tamin' ny taona 431. Ny anarana hoe Nestôriana dia niantsoana ireo mpanaraka ny fampianaran' i Nestôriôsy.