From Wikipedia, the free encyclopedia
I Nekô II na Nekao II dia mpanjaka tao amin' ny tarana-mpanjaka faha-26 (610–595 tal. i J.K.), izay nanjaka tao Sais, tany Ejipta. Nanao asa fanorenana maromaro nanerana ny fanjakany i Nekô. Tamin' ny fotoana nanjakany, araka ny voalazan' i Herôdôtôsy, mpahay tantara grika, dia nandefa iraka Fenisianina i Nekô II, izay nandeha sambo avy any amin' ny Ranomasina Mena nanodidina an' i Afrika, tao anatin' ny telo taona, ka nankany amin' ny Andilan-dranomasin' i Gibraltar ary niverina tany Ejipta. Ny zanany lahy, Psamtika II, dia nety ho nanaisotra ny anaran' i Nekô tamin' ny tsangambato sy ny zavatra naorina rehetra, rehefa niandimby azy.
Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Νεκώς Β' / Nekôs II fa amin' ny teny hebreo dia נְכוֹ / Neḵō.
Nanana anjara toerana lehibe teo amin' ny tantaran' ny Empira Asiriana Vaovao sy ny Empira Babilôniana Vaovao ary ny Fanjakan' i Jodà i Nekô. I Nekao II dia azo inoana fa ilay farao Nekô izay voatonona ao amin' ny Boky faharoan' ny Mpanjaka sy ny Boky faharoan' ny Tantara ary Bokin' i Jeremia ao amin' ny Baiboly. Ny fandresena tany Azia no zava-kendren' ny diabe fanafihana nataon' i Nekô faharoa, mba hanakanana ny fandrosoan' ny Empira Babilônianina Vaovao miankandrefana, ary hanapaka ny lalan' ny varotra namakivaky an' i Eofrata. Resy anefa ny Ejipsiana noho ny fanafihana tsy nampoizina nataon' ny Babilôniana, ka noroahina avy tany Siria tamin' ny farany izy ireo.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.