I Môsikao na Môsikoa (amin' ny fiteny rosiana Москва, / Moskva, IPA: /mɐˈskva/) dia renivohitra ny Federasiônan' i Rosia ary tanàna ngeza indrindra any Eorôpa.
Eo amin' ny renirano Moskova ny misy an' i Môsikao, mitovy anarana amin' ilay renirano ilay tanàna amin' ny fiteny rosy. Eo amin' ny distrika ampivoany, amin' ny lafy eorôpeaninan' i Rosia ny misy an' i Môsikao.
Môsikao dia ny tanàna ngeza indrindra any Eorôpa amin' ny isam-poniny mahatratra 10,22 tapitrisa mahery ao an-drenivohitra ary 14,74 tapitrisa raha isaina ny ambanivohitra. Renivohitra ara-toe-karena, ara-pôlitika sy ara-pahaizan' i Rosia ny Môsikao, ary 8,9% ny olona any Rosia miaina any Môsikao.
Betsaka ny fandraisana anjaran' ny tanànan' i Môsikao ao amin' ny tantaran' ny Rosia: Renivohitra ny Grand-Duché-n' i Môsikao izy, ary lasa renivohitra ny Empira Rosiana; nafindran' i Pierre le Grand (Petera Ilaibe) tany Saint-Petersbourg ny renivohitra; very lanja ny tanànan' i Môsikao hatramin' ny taona 1918; Lasa renivohitry ny Firaisana Sôvietika i Môsikao tamin' ny taona 1918. Fantatra amin' ny fanam-pananana ara-maritrano i Môsikao: ao ny Kremlin miaraka amin' ny fehivolany, ny katedraly St Basile eo amin' ny Kianja Mena, ny katedralin' i Kristy Mamonjy sy ny Sera Stalinianina Fito. Any Môsikao ny foiben'ny Patriarkan' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Rosiana an' ny monasteran' i Danilov. Eo amin' ny toeran' ny Kremlin sy ny Kianja Mena ny ampovoan' i Môsikao.
Antsoin' ny mponina rosiana hoe "Матушка Москва" (« Matuška Môsikao ») (Reny Môsikao) ny tananan' i Môsikao.
Foiben' ny oniversite maromaro ny tanàna, tany no nisy ny Kilalao Olimpika tamin' ny 1980.
Ankehitriny, manan-danja be ny Môskao ao amin' ny toekarenan' i Rosia, mahavokatra ny 25%n-ny harin-karena faoben' ny Federasiona izy. Lasa « Géante Capitaliste »[1] i Môsikao teo aorian'ny andro kômonista ary efa manan-danja i Môsikao eo amin' ny toekarena eorôpeanina. Ny faribohitr' i «Môsikao-City» ny evan' ny fiovan' ny Môsikao. Fa tsy nandeha tsy nisy olana io fiovàna io. Ny elanelana ara-toekarenan' ny olona dia lasa nihabetsaka avy hatrany: Misy silaka manan-karena ary miha-manan-karena, ary misy ny mahantra miahamahantra.