Ny monka na moanina dia lehilahy na vehivavy voafatotry ny voady ara-pivavahana sady manaraka fiainana ara-panahy mitokana samirery na anatin' ny fikambanana iray.

Thumb
Moanina katôlika

Ahitana monka na moanina ny fiangonana katôlika, ny fiangonana ôrtôdôksa, ny jainisma, ny bodisma, ny sintôisma, ny taôisma ary ny hindoisma. Taorian' ny fitsipahana azy tamin' ny fanavaozana prôtestanta na refôrmasiôna dia nahatsapa indray ny Prôtestanta (loterana sy anglikana ary ny hafa koa) tamin' ny antsasany faharoa amin' ny taonjato faha-20 fa zava-dehibe ao amin' ny kristianisma ny fiainan' ny monka.

Fiforonan-teny

Fanagasiana ny teny anglisy hoe monk ny hoe monka, fa fanagasiana ny teny frantsay hoe moine kosa ny hoe moanina. Ireo teny roa ireo dia avy amin' ny teny latina hoe monachus, izay avy amin' ny teny grika hoe μοναχός / monakhos, avu amin' ny hoe monos izay midika hoe "tokana" na "manirery". Atao hoe mônastera ny toeram-ponean' ny moanina.

Moanina bodista

Thumb
Moanina bodista any Tailandy

Ny moanina bodista izay atao amin' ny teny paly hoe भिक्खु / bhikkhu, na amin' ny teny sanskrita hoe भिक्षु / bhikṣu, dia lehilahy voatokana ao amin' ny mônastisisma. Ny moanina lehilahy na moanina vehivavy (paly: 𑀪𑀺𑀓𑁆𑀔𑀼𑀦𑀻 / bhikkhunī, sanskrita: भिक्षुणी / bhikṣuṇī) dia mpikambana ao amin' ny Sangha.

Ny fiainan' ny moanina bodista rehetra dia fehezin' ny fitsipika iray antsoina hoe प्रातिमोक्ष / prātimokṣa na pātimokkha. Ny fomba fiainany dia novolavolaina mba hanohanana ny fanaony ara-panahy: ho tso-piainana sy hisaintsaina lalina ary hahatratra ny nirvana.

Ny olona latsaky ny 20 taona dia tsy azo atao ôrdinasiôna ho bhikkhu na bhikkhuni fa azo tendrena ho śrāmaṇera na śrāmaṇērī.

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.