![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/4/41/Marinduque_in_Philippines.svg/langmg-640px-Marinduque_in_Philippines.svg.png&w=640&q=50)
Marinduque
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Marinduque dia nosy sy faritany ao Filipina, ao amin' ny Faritra Mimaropa. Ao amin' ny Helodranon' i Tayabas no misy azy, eo anelanelan' ny nosy Mindoro sy ny Saikinosin' i Bondoc amin' ny nosy Luzon. Ny isan' ny mponiny dia 234 521 araka ny faminavinana natao tamin' ny taona 2015 ary mirefy 959 km2 ny velerany.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/4/41/Marinduque_in_Philippines.svg/640px-Marinduque_in_Philippines.svg.png)
Ny tampona avo indrindra amin' ilay nosy dia ny tendrombohitra Marinduque Malindig (antsoina hoe Tendrombohitra Marlanga taloha), stratôvôlkano mety ho velona manana haavo 1 157 m any amin' ny tendrony atsimon' ilay nosy. Io nosy io dia voamariky ny lozan' i Marcopper, izay firodanan' ny fefiloha nisakana ny loto avy amin' ny toeram-pitrandrahana volamena, izay nitarika ny fanakatonana ilay toeram-pitrandrahana, tamin' ny taona 1996.