![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/f/fc/Marburg_Oberstadt_von_SO_%2528cropped%2529.jpg/640px-Marburg_Oberstadt_von_SO_%2528cropped%2529.jpg&w=640&q=50)
Marburg
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Marburg dia tanàna any Hessen ((frantsay: Hesse), any Alemaina, renvohitry ny boriborintanin' i Marburg-Biedenkopf. Mamakivaky azy ny renirano Lahn. Tanàna afaka nanomboka tamin' ny taonjato faha-12, izay nahazoany ny fizakantenan' ny kaominina. Avy amin' izany lova izany no niavian' ny sata manokana izay azy hatramin' izao, toa ireo tanàna enina hafa ao Hessen.
Marburg | ||
![]() | ||
Velarantany | 123,91 km2 | |
Isam-ponina | 77 845 mponina | |
Tanànan-dehibe | NC | |
Ben'ny tanàna | Thomas Spies | |
Firenena | Alemaina | |
Faritany | NC | |
Faritra | NC |
Ny Philipps-Universität ao Marburg, izay naorina tamin' ny taona 1527, dia iray amin' ny oniversite prôtestanta tranainy indrindra any Alemaina. Nanome laza ny tanànan' i Marburg izy io sady mifamatotra amin' ny maha izy azy an' ity tanàna ity. Tanànan' ny mpianatra i Marburg, izay miorina an-tahezan-kavoana.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/4/4f/View_of_Marburg_and_castle_in_winter.jpg/640px-View_of_Marburg_and_castle_in_winter.jpg)
Mampiavaka azy ny ny fananany tranobe sy trano fiangonana gôtika natokana ho an' i Masimbavy Elisabeth. Ity farany ity, izay andrikambavin' i Hôngria avy mba honina ao hitsabo ny marary tsy azo sitranina, no nahatonga io tanàna io ho ivom-pivahiniana masina. Tamin' ny andron' ny Refôrmasiôna prôtestanta dia lasa toerana nampiroborobo ny teôlôjia prôtestanta i Marburg.