![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/0e/Mangalore_Town_Hall_2012.jpg/640px-Mangalore_Town_Hall_2012.jpg&w=640&q=50)
Mangalore
From Wikipedia, the free encyclopedia
12.87°N 74.88°E / 12.87; 74.88
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/0e/Mangalore_Town_Hall_2012.jpg/640px-Mangalore_Town_Hall_2012.jpg)
I Mangalore, izay fantatra amin' ny anarana ôfisialy hoe Mangaluru, dia tanàna seranan-tsambo lehibe ao amin' ny Fanjakan' i Karnataka any India. Eo anelanelan' ny Ranomasin' i Arabia sy ny Ghats Andrefana no misy azy eo amin' ny 352 km any andrefan' i Bangalore, renivohitr' ilay fanjakana, 20 km avaratry ny sisintany Karnataka–Kerala, 297 km atsimon' i Goa. Mangalore no hany tanàn-dehibe ao amin' ilay fanjakana manana ny fomba fitaterana efatra — ana habakabaka, an' arabe, an-dalalamby ary an-dranomasina. Ny isan' ny mponiny dia 619.664 araka ny faminavinana nasiônalin' i India tamin' ny taona 2011. Fantatra fa izy dia iray amin' ny toerana misy ny tahirin-tsolika stratejika indiana. Ny kaodim-paositra dia 575001 hatramin' ny 575030.