![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/5/5b/Woman_with_musiro_mask.jpg/640px-Woman_with_musiro_mask.jpg&w=640&q=50)
Makoa (vahoakan' i Afrika)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Makoa dia vahoaka banto ao Afrika Atsinanana sy Afovoany hita indrindra any amin' ny tapany avaratr' i Môzambika sy any amin' ny tapany atsimon' i Tanzania (faritra Mtwara)[1] [2] ary any amin' ny firenena afrikana sasany toa an' i Malaoy, ny tapany avaratr' i Madagasikara, i Kômôro ary ny Repoblikan' i Kôngô. Vondrom-poko lehibe indrindra ao Môzambika ny Makoa, ary monina amin' ny faritra midadasika mankany avaratry ny renirano Zambezi[3].
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/5/5b/Woman_with_musiro_mask.jpg/640px-Woman_with_musiro_mask.jpg)
Tombanana ho 3,5 tapitrisa eo ho eo ny fitambaran' ny Makoa, ka ny 1 tapitrisa mahery amin' ireo dia miteny makoa atsimo ary eo amin' ny 2 tapitrisa eo ny miteny makoa avaratra; noho ny faritra midadasika sy ny mponina, dia misy vahoaka maro hafa izay mizara ny faritra amin' ny Makoa koa iza miteny makoa[4].
Arakaraka ny mpanoratra sy ny fiteny anoratany ny fomba fanoratana ny teny nogasina hoe Makoa: Macoua, Macua, Macuas, Makhuwa, Makoane, Makoa, Mako, Makoua, Makouwa, Makuas, Makuwa, Makwai, Makwa, Mato, Meto, Wakua, Wamakua[5].