Môldaviana (vahoaka)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Môldaviana, na Môldava, indraindray antsoina hoe Môldôvana, dia vahoakam-pirenen' ny Repoblikan' i Môldavia (na inona na inona fiteniny sy fomban-drazany sy finoany ary fiaviany) na vondrom-poko tao amin' ny faritra ara-tantaran' i Môldavia izay mahafaoka ny ampahany amin' ity repoblika ity. Amin' ny maha vondrom-poko azy, ny Môldaviana dia miteny romaniana sady vondrom-poko lehibe indrindra ao amin' ny Repoblikan' i Môldavia (75,1 % amin' ny mponina tamin' ny taona 2014) ary vahoaka vitsy anisa ao Romania sy Italia sy Okraina ary Rosia. Amin' ny fiteny romaniana dia atao hoe Moldoveni na Молдовень izy ireo.
Misy ny tsy fitovian-kevitra momba ny famaritana ara-piteny ny maha foko azy, momba ny maha vondrom-poko miavaka sy misaraka amin' ny Romaniana azy ireo, na ny maha anisan' ny Romaniana azy ireo. Miovaova ny habetsahan' ny olona milaza ny tenany ho Romaniana ao amin' ny Repoblikan' i Môldavia (2,1 % amin' ny mponina no milaza tena ho Romaniana tamin' ny taona 2004 ary 7 % izany tamin' ny taona 2014).
Ny teny hoe Môldaviana dia ampiasaina hanondroana ny mponina rehetra ao amin' ny tanin' ny Prinsipaotea ara-tantaran' i Môldavia, izay voazara amin' i Romania (47,5 %) sy i Môldavia (30,5 %) ary i Okraina (22 %), na inona na inona fiheverana ara-poko azy ireo. Any Romania, ny teratany avy any Môldavia Andrefana izay manondro ny tenany amin' io teny io dia manambara amin' ny ankapobeny ny maha anisan' ny foko romaniana azy, fa ny Môldaviana avy any Besarabia (anisan' izany ny Repoblikan' i Môldavia) dia matetika antsoina hoe Besarabiana (amin' ny fiteny romaniana: basarabeni).
Wikiwand in your browser!
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.