Leonid Kravchuk
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Leonid Makarovych Kravchuk dia mpanao pôlitika okrainiana sady filoha voalohan' i Okraina, niasa nanomboka tamin' ny 5 Desambra 1991 ka hatramin' ny 19 Jolay 1994. Tamin' ny taona 1992 dia nanao sonia ny Fifanarahana tao Lisboa izy, izay nanekeny ny hamoy ny fitaovam-piadiana noklearin' i Okraina. Izy koa dia filohan' ny Verkhovna Rada (Верховна Рада, "Filankevitra Faratampony": antenimiera okrainiana) sady Solombavambahoakan' i Okrainiana niasa tao amin' ny Antoko Sôsialy-Demôkratin' i Okraina (mitambatra) na Соцiал-демократична партія України (об'єднана) / Sotsial-demokratychna partiia Ukrainy (obiednana). Amin' ny teny okrainiana izy dia atao hoe Леонід Макарович Кравчук. Teraka tamin' ny 10 Janoary 1934 izy ary maty tamin' ny 10 May 2022.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/a/ac/Leonid_Kravchuk_%281%29.jpg/258px-Leonid_Kravchuk_%281%29.jpg)
Taorian' ny krizy pôlitika nahavoarohirohy ny filoha sy ny praiminisitra dia nametra-pialana i Kravchuk, saingy nirotsaka ho filoham-pirenena fanindroany tamin' ny taona 1994. Resin' ny praiminisitra teo aloha, Leonid Kuchma, izay filoha nandritra ny fe-potoana roa, izy. Taorian' ny naha filoha azy dia nitohy ny fanaovan' i Kravchuk pôlitika tamin' ny naha solombavambahoakan' i Okraina azy tao amin' ny Verkhovna Rada sady mpitarika ny vondrona parlemanteran' ny Antoko Sôsialy-Demôkratin' i Okraina (mitambatra) nanomboka tamin' ny taona 2002 ka hatramin' ny 2006.