![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/d/d8/Iron_Age_Italy.png/640px-Iron_Age_Italy.png&w=640&q=50)
Latina (vahoaka)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Latina dia vahoaka italika tao amin' ny faritr' i Latioma (Latium) nandritra ny vanim-potoan' i Rôma taloha, izay niteny amin' ny fiteny latina izay fiteny indô-eorôpeana. Vondrom-poko ara-piteny any atsimon' ny ony Tiber na Tevere ny Latina, izay tsy nanana soratra talohan' ny taonjato faha-8. Niraisan' izy ireo ny fanompoam-pivavahana maro, toy ny fivavahana amin' i Jopitera latina teo amin' ny Tendrombohitra Albano. Ny Latina dia nonina tanaty vondrom-piarahamonina an-tanàna kely maro, ny tao amina fiarahamonina mpiompy andiam-biby fiompy, satria iharan' ny tondra-drano matetika ny tany.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/d/d8/Iron_Age_Italy.png/320px-Iron_Age_Italy.png)