Lalàna
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny lalàna dia fitsipika nolanin' ny Antenimiera izay manana ny fahefana mpanao lalàna. Ny Fanjakana, izay manana ny fahefana manery, no miantoka ny fampiharana ny lalàna eo amin' ny tanim-pirenena. Ao amin' ny rafitra demôkratika dia ny vahoaka masi-mandidy no manao ny lalàna. Noho ny antony ara-pampihariana anefa dia ny Antenimiera -- izay misolo tena ny vahoaka manontolo ary nomena fahefana tamin' ny alalan' ny fifidianana ny mpikambana ao aminy mba hitondra ny hetahetam-bahoaka -- no manomana sy mandatsa-nato amin' ny fandaniana ny lalàna. Araka izany dia heverina fa lalàna avokoa ny rijanteny rehetra nolanin' ny Antenimiera manaraka fomba fiasa voafaritra ho an' izany araka ny ny lalàmpanorenana.