![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/5/5d/Elia_naurizio%252C_congregazione_generale_del_concilio_di_trento_in_s.m._maggiore%252C_1633%252C_01.jpg/640px-Elia_naurizio%252C_congregazione_generale_del_concilio_di_trento_in_s.m._maggiore%252C_1633%252C_01.jpg&w=640&q=50)
Kôntra-Refôrma
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Kôntra-Refôrma dia hetsika nentin' ny Eglizy Katôlika namaly ny Refôrmasiona prôtestanta tamin' ny taonjato faha-16. Ny Kôntra-Refôrma dia niseho tao anatin' ny hetahetam-panitsiana sy fanavaozana ara-pivavahana nahazo ny Andrefan' izao tontolo izao kristiana, izay nanomboka tamin' ny taonjato faha-15. Namaly amin' ny ampahany ireo tanjon' ny Eglizy Katôlika izay mikendry ny hametra ny fielezan' ny prôtestantisma izany hetsika izany. Izany dia nahafahan' ny Eglilzy Katôlika nahazo fiasana ara-panahy sy ara-pitaovana mba hanombohana ny famerenana indray amin' ny ampahany ireo faritra azon' ny Fiangonana Prôtestanta, sady hanombohan' ny fihavaozana ara-pivavahana indray.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/5/5d/Elia_naurizio%2C_congregazione_generale_del_concilio_di_trento_in_s.m._maggiore%2C_1633%2C_01.jpg/640px-Elia_naurizio%2C_congregazione_generale_del_concilio_di_trento_in_s.m._maggiore%2C_1633%2C_01.jpg)