![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/c/c9/Eug%25C3%25A8ne_Ferdinand_Victor_Delacroix_012.jpg/640px-Eug%25C3%25A8ne_Ferdinand_Victor_Delacroix_012.jpg&w=640&q=50)
Kroazada fahefatra
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny kroazada fahefatra dia fanafihana miaramila mifanesy nataon' ny Kristiana, mba handroahana ny Mozilmana izay nibodo ny Tany Masina, natomboka tamin' ny taona 1202 izay niainga tao amin' ny tanànan' i Venezia any Italia (frantsay: Venise) ka nifarana tamin' ny taona 1204. Nivaona ny fanatanterahana ity kroazada ity ka tsy tratra ny tanjona fa nivadika fandrobàn' ny mpisalotra vokovoko an' i Kônstantinôpla, izay tanàna kristiana, sy fanorenana ny Empira latinan' i Kônstantinôpla (1204-1261).
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/c/c9/Eug%C3%A8ne_Ferdinand_Victor_Delacroix_012.jpg/640px-Eug%C3%A8ne_Ferdinand_Victor_Delacroix_012.jpg)