Kroazada fahafito
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny kroazada fahafito dia kroazada voalohany notarihin' i Louis IX (atao hoe Saint Louis) mpanjakan' i Frantsa. Tamin' ny taona 1244 no nanapahan' i Louis IX hevitra, niainga avy tao amin' ny Fanjakan' i Frantsa izy tamin' ny taona 1248 ka tonga teo amin' ny morontsirak' i Ejipta tamin' ny taona 1249. Resin' ny aretina ny tafika nentin' i Louis IX ka tsy nahita fahafahana indray ny tafika raha tsy tamin' ny taona 1250 ary ny mpanjakan' i Frantsa dia nandany ny efa-taona manaraka nandamina ny Fanjakan' i Jerosalema mba ho afaka miaro tena hanohitra ny Mamelòka. Tapitra tamin' ny taona 1254 ny kroazada fahafito tamin' ny fiverenan' ny mpanjakan' i Frantsa taorian' ny fahafatesan' ny reniny Blanche de Castille, izay nitantana vonjimaika ny fanhakana nandritra ny fotoana tsy nahateo ny mpanjaka.