![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/e/e7/Kurdish-inhabited_area_by_CIA_%25281992%2529_box_inset_removed.jpg/640px-Kurdish-inhabited_area_by_CIA_%25281992%2529_box_inset_removed.jpg&w=640&q=50)
Kordistàna
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Kordistàna dia faritra ao Azia Andrefana, onenan' ny Kiorda sy vahoaka vitsy anisa hafa, mivelatra ao amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Torkia sy ao amin' ny tapany avaratr' i Iràka sy ao amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Iràna sy ao amin' ny faritra kely roa ao amin' ny tapany avaratra-atsinanana sy avaratra-andrefan' i Siria. Amin' ireo firenena efatra voatanisa ireo dia ny roa ihany no manaiky ny fisian' ny faritra mitondra ny anarana hoe Kordistàna, dia i Iràna sy i Iràka. Tsy firenena mahaleo tena i Kordistàna.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/e/e7/Kurdish-inhabited_area_by_CIA_%281992%29_box_inset_removed.jpg/640px-Kurdish-inhabited_area_by_CIA_%281992%29_box_inset_removed.jpg)