![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/03/UNCAC_1.png/640px-UNCAC_1.png&w=640&q=50)
Kolikoly
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny kolikoly, na tsolotra, na risoriso dia fifanarahana ratsy miseho eo amin' ny ankolafiny anankiroa, amin' ny alalan' ny fanolorana fanomezana na vola tsy ara-dalàna ho tambin' ny asa na fanomezana tombondahiny anankiray tsy ara-dalàna ihany koa.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/03/UNCAC_1.png/320px-UNCAC_1.png)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/01/Say_no_to_bribes_in_Chipata%2C_Zambia.jpg/640px-Say_no_to_bribes_in_Chipata%2C_Zambia.jpg)
Azo sokajiana roa ny kolikoly, dia ny kolikoly madinika, miseho amin' ny sarambabem-bahoaka, izay vola kely ihany no sarany raha oharina amin' ny faharoa. Ny anankiray faharoa dia ny kolikoly vaventy izay mety hisy tambajotrany mihitsy, miseho eo amin' ny orinasa lehibe sy ny manam-pahefana na mpitondra fanjakana ambony, ary volabe an-tapitrisany maro no mihodina amin' izany. Samy manimba firenena avokoa rehefa endrika kolikoly.