![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/5/55/Qatar_in_its_region.svg/langmg-640px-Qatar_in_its_region.svg.png&w=640&q=50)
Katara
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Katara na Fanjakan' i Katara dia firenena ao Atsinanana Akaiky any Azia, izay manana morontsiraka ao amin' ny Hoala Persika. Ny renivohiny dia i Doha. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 11 571 km2 ny velarany ary miisa 1 903 447 ny mponina araka ny fanisana natao tamin' ny 2013. Ny faritr' ora dia +3.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/6/65/Flag_of_Qatar.svg/640px-Flag_of_Qatar.svg.png)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/5/55/Qatar_in_its_region.svg/320px-Qatar_in_its_region.svg.png)
Saikanosy lemaka, saika tany efitra maina, ny tanin' i Katara. Fasika midadasika no hita ao atsimo, fa ny ao avaratra kosa dia rakotra zavamaniry.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/d/d4/QAT_orthographic.svg/320px-QAT_orthographic.svg.png)
Ny mponina ao Katara, izay atao hoe Katary, dia saika Bedoina Arabo, izay mahatratra 20 % n’ ny mponina. Ny 80 % n' ny mponina dia mpitady ravinahitra avy any ivelan' ilay firenena. Manaraka ny fivavahana silamo ny ankabetsahan’ ny mponina.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/d/d7/Qatar_carte.png/320px-Qatar_carte.png)
Ny fitrandrahana solitany no seha-pamokarana mampidi-bola voaohany any Katara. Ny mpitondra ny firenen' i Katara dia emira, ka atao hoe emirata ity firenana ity. Nahazo ny fahaleovan-tenany ilay firenena tamin' ny taona 1971.