![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/1/1c/Khasi_Girls.jpg/640px-Khasi_Girls.jpg&w=640&q=50)
Kasỳ (vahoaka)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Kasỳ dia vahoaka any Meghalaya any amin' ny tapany avaratra-atsinanan' i India, izay hita betsaka ao amin' ny fanjakan' i Assam, sy any amin' ny faritra sasany ao Bangladesy. Ny Kasỳ no vahoaka betsaka indrindra ao amin' ny tapany atsinanan' i Meghalaya, izany hoe ny tangoron-kavoanan' i Khasi, izay 78,3 % amin' ny mponina ao amin' ilay faritra, ary izy no vondrom-poko lehibe indrindra ao amin' ilay fanjakana, izay 48 % amin' ny mponina ao Meghalaya.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/1/1c/Khasi_Girls.jpg/640px-Khasi_Girls.jpg)
Anisan' ny olona vitsy miteny aostrôaziatika any Azia Atsimo izy ireo. Ny fiteny kasỳ no fiteniny. Ny vondrom-poko kasỳ dia miavaka noho izy ireo anisan' ny vondrom-poko vitsy sisa izay manana fiarahamonina entin-dreny. Araka ny Lalàmpanorenan' i India dia nomena ny satan' ny fokom-pirenena anaty lisitry ny fanjakana ny Kasỳ.