![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/79/Chaldea_-_Map_-_The_Countries_around_Chaldea.png/640px-Chaldea_-_Map_-_The_Countries_around_Chaldea.png&w=640&q=50)
Kaldea
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Kaldea dia faritra teo anelanelan' ny tapany ambanin' ny ony Eofrata sy ny ony Tigrisy (na Tigra) ka ny mponina tao no atao hoe Kaldeana. Namorona ny fanjakan' i Somera sy ny fanjakan' i Akady ny vahoaka voalohany tao amin' io faritra io. Foko nonina tao atsimo-andrefan' i Babilôna ny Kaldeana tamin' ny voalohany. Foko semita tranainy ny Kaldeana.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/79/Chaldea_-_Map_-_The_Countries_around_Chaldea.png/320px-Chaldea_-_Map_-_The_Countries_around_Chaldea.png)
Ny anarana hoe Kaldea dia fanagasiana ny teny grika hoe Χαλδαία / Khaldaía izay avy amin' ny teny akadiana hoe māt Kaldu na Kašdu. Miseho amin' ny endrika hebreo ao amin' ny Baiboly hoe כשדים / Kaśdim sy amin' ny endrika aramaika hoe ܟܠܕܘ / Kaldo io teny io.