![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/b2/Map_of_Khwarazm_in_the_Islamic_period%252C_before_the_Mongol_invasion.svg/langmg-640px-Map_of_Khwarazm_in_the_Islamic_period%252C_before_the_Mongol_invasion.svg.png&w=640&q=50)
Kôrazmia
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Kôrazmia na Koarazmia na Khwarazm na Khwarezm dia ôazisy lehibe ao amin' ny hefak' i Amu Daria any andrefan' i Azia Afovoany, manamorona ny avaratra amin' ny Ranomasina Aral, eo atsinanana ny Efitr' i Kyzylkum, eo atsimo ny Efitr' i Karakum, ary eo andrefana ny Lembalemban' i Ustyurt.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/b2/Map_of_Khwarazm_in_the_Islamic_period%2C_before_the_Mongol_invasion.svg/640px-Map_of_Khwarazm_in_the_Islamic_period%2C_before_the_Mongol_invasion.svg.png)
Atao hoe amin' ny teny persiana taloha hoe Uvârazmiya io faritra io, fa amin' ny teny persana vaovao kosa dia خوارزم / Xwârazm na Xârazm.
Atao hoe Koarezmiana ny vahoaka tao amin' io faritra io, izay anisan' ny vahoaka iraniana.