Kônfosianisma
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny kônfosianisma dia iray amin' ireo sekoly lehibe ara-pilôzôfia sy ara-pitondrantena ary ara-pôlitika (sy ara-pivavahana koa) ao Sina. Nivoatra nandritra ny taonarivo roa izy nanomboka tamin' ny asasoratr' ilay filôzôfa atao amin' ny teny sinoa hoe Kongfuzi (sinoa: 孔夫子) (551-479 tal. J.K.) izay fantatra amin' ny anarana hoe Kônfosiosy (latina: Confucius). Atao hoe Rújiā (izay midika hoe "sekolin' ny manam-pahaizana") (儒家) avy eo Rúxué (izay midika hoe "fampianaran' ny manam-pahaizana") (儒学) ny kôfosianisma amin' ny teny sinoa.
Rehefa avy nifanehatra amin' ireo sekolim-pisainana mpifaninana aminy nandritra ny Vanimpotoan' ny Fanjakana Miady ka resy tamin' ny fitondran' ny mpanjaka Qin Shi Huang (秦始皇 ) mpanorina ny empira voalohany, dia noteren' ny emperora Han Wudi (漢武帝) (156 - 87 tal. J.K.) ho foto-pampianaram-panjakana ka nijanona tamin' izany satany izany hatramin' ny niorenan' ny Repoblikan' i Sina tamin' ny taona 1911 (repoblika teo anelanelan' ny taona 1911 -1949). Niditra tany Vietnamy sy tany Kôrea ary tany Japàna koa ny kôfosianisma ka tao izy dia nampiraisim-bolo tamin' ny toe-java-misy teo an-toerana.
Anisan' ireo singa telo lehibe mandrafitra ny fototry ny kolontsaina sinoa ny kôfosianisma, ka ny roa hafa dia ny taôisma sy ny bodisma, nefa ny kôfosianisma no tena manana ny akony lehibe amin' izy telo ireo.