![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/5/5b/Kitab_al-Bulhan_---_devils_talking.jpg/640px-Kitab_al-Bulhan_---_devils_talking.jpg&w=640&q=50)
Jiny
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny jiny dia zavaboary ninoam-pisiana teo amin' ny Arabo tany aloha ary mbola inoam-pisiana ao amin' ny fivavahana silamo ankehitriny. Tsy hita maso ny jiny amin' ny ankapobeny nefa tsy fanahy tanteraka satria afaka miseho amin' ny endrika zavamaniry na biby na olona sady mety hahatsapa te hatory na noana. Afaka mibaiko ny fanahy na ny sain' ny olombelona (mampianjaka) ny jiny nefa tsy voatery hampiasainy izany hery ananany izany. Amin' ny finoana silamo, ny jiny dia manan-tsafidy hanao ny tsara na ny ratsy toy ny olombelona, tsy tahaka ny anjely izay tsy afaka manao afa-tsy ny tsara ihany.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/5/5b/Kitab_al-Bulhan_---_devils_talking.jpg/320px-Kitab_al-Bulhan_---_devils_talking.jpg)