Jeôgrafia
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny jeôgrafia dia siansa miompana amin' ny fandinihana ny Tany ary indrindraindrindra momba ny zava-mitranga ara-pizika sy ara-biôlôjia ary momba ny olombelona izay miseho eto amin' ny bolan-tany.
Mizara ho sampana telo lehibe ny jeôgrafia, dia:
- ny jeôgrafia matematika izay niseho voalohany, andinihana ny endrika sy ny refin' ny Tany amin' ny alalan' ny jeôdezia;
- ny jeôgrafia fizika izay ahitana ireo taranja siantifika mampiditra ny siansan' ny zavaboary;
- ny jeôgrafian' ny olombelona izay ahitana ireo taranja siantifika mampidira ireo siansan' ny fiarahamonina.
Noho ny fandrosoan' ny astrônômia sy ny astrônaotika, dia maro ankehitriny ny endrika fantatra amin' ny toerana hafa tsy eto amin' ity planeta ity, ka ny teny hoe jeôgrafia dia ampiasaina amin' ny fandinihana ireo zavatra mitsingevana eny amin' ny lanitra (kintana, planeta, satelita).