From Wikipedia, the free encyclopedia
I Jerôbôama II dia mpanjakan' i Israely tamin' ny taona 782 hatramin' ny 753 tal. J.K. Nandimby an-drainy Jôasy (na Jôasa) izy ka nanjaka nandritra ny 40 taona tao Israely. Nandimby azy i Zakaria zanany. Na dia nanoro hevitra azy aza ny mpaminany Hôsea (na Ôsea) sy Amôsa (na Amôsy) dia nanohy ny fitondran-tena ratsin' ireo mpanjaka nodimbiasiny izy.
Nalain' i Jerôbôama II tamin' i Arama ireo faritanin' i Amôna sy Môaba ao atsinanan' ny ony Jordana izay nalain' i Hazaela mpanjakan' i Arama-Damasy (na Arama-Damaskosy) tany aloha tamin' ny andron' ny mpanjaka Jeho. Tanteraka noho izany ny faminanian' i Jônà (na Jônasa).
Amin' ny teny hebreo dia יָרָבְעָם / Yarob‘am no anarany fa amin' ny teny grika kosa dia Ἱεροβοάμ / Hieroboam ary amin' ny teny latina dia Hieroboam. Tantaraina ao amin' ny Boky faharoan' ny Mpanjaka ny fanjakany.
Mpanjakan' i Israely
Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Jerôbôama I - Nadaba - Baasa (na Basa) - Ela - Zimry - Ômry - Ahaba (na Akaba) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Jôrama - Jeho - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôasy (na Jôasa) - Jerôbôama II - Zakaria - Saloma - Menahema - Pekahia (na Faseia) - Peka (na Fasea) - Hôsea (na Ôsea).
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.