![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/c/c0/Flag_of_Jordan.svg/langmg-640px-Flag_of_Jordan.svg.png&w=640&q=50)
Jôrdania
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Jôrdania dia firenena ao Atsinanana Akaiky, anyAzia. Ny renivohiny dia i Amman. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 89 342 km2 ny velaran-taniny ary miisa 6 508 887 ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny Jolay 2012. Ny faritr' ora dia +3.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/b2/Jordan_%28orthographic_projection%29.svg/320px-Jordan_%28orthographic_projection%29.svg.png)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/c/c0/Flag_of_Jordan.svg/640px-Flag_of_Jordan.svg.png)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/9/99/LocationJordan.svg/640px-LocationJordan.svg.png)
Tsy manana morontsiraka afa-tsy 25 km i Jôrdania ao amin’ ny Hoalan' i Aqaba sy ao amin’ ny Ranomasina Mena. Anjakan’ ny lembalemba misy fatrana an-tany efitra ny 80 %n’ ny tanin’ i Jôrdania, izay mitohy amin’ ny tany efitr' i Siria any atsinanana. Ny lohasahan' i Jordana ao avaratra-andrefana dia tany lonaka tsara ho an’ ny fambolena. Miovava eo anelanelan' ny 7 °C sy 30 °C ny maripana any Jôrdania, nefa mety mahatratra 49 °C izany ao amin' ny Lohasahan' i Jordana amin' ny volana Aogositra.
Arabo ny ankamaroan' ny mponina any Jôrdania, ka ny 40 % amin' izany dia Palestiniana mpitsoa-ponenana. Ny Bedoina no vahoaka vitsy anisa lehibe indrindra any. Ny 90 %n’ ny Jôrdaniana dia mpino mozilmana. Betsaka tanora ny mponina any ka ny 45 % dia tanora latsaky ny 15 taona.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/6/60/Jordan_1984-1988.png/320px-Jordan_1984-1988.png)
Miankina be amin’ ny fanampiana iraisam-pirenena ny toekarenan' i Jôrdania. Mandroso anefa ny fitrandrahana harena an-kibon' ny tany, indrindra ny fôsfaty sy ny pôtasy. Mitombo hatrany koa ny fidiram-bola vokatry ny fizahàn-tany, noho ny toerana manan-tantara toa an’ i Petra.