Jôfiela
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Jôfiela, antsoina koa hoe Zôfiela na Zoriela, dia arkanjely ao amin' ny anjelôlôjia kristiana sy jiosy. Ampifandraisina amin' ny hatsaran-tarehy sy ny zavakanto ary ny fahendrena i Jôfiela. Amin' ny teny hebreo ireo anarana ireo dia יופיל / Yophiel[1] na יוֹפִיאֵל / Yōp̄īʾēl (midika hoe "hatsaran' Andriamanitra"), צֹפִיאֵל / Ṣōp̄īʾēl ("Andriamanitra no mpitily ahy"), ary צוּרִיאֵל Ṣūrīʾēl, ("Andriamanitra no vatolampiko").