![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/9/90/Gulf_of_Suez_map.jpg/640px-Gulf_of_Suez_map.jpg&w=640&q=50)
Hoalan' i Aqaba
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Hoalan' i Aqaba dia sampan' ny Ranomasina Mena miditra ao atsimo andrefan' i Azia, manasaraka ny Saikanosin' i Arabia amin' ny Saikanosin' i Sinay (na Sinaia). Mirefy 24 km ny sakany ary 160 km ny halavany. Mifandray amin' ny Ranomasina Mena amin' ny alalan' ny Andilan-dranomasin' i Tiran ny Hoalan' i Akaba. Ny Saikanosin' i Sinay no manasaraka azy amin' ny Hoalan' i Suez. Ao amin' ny tapany avaratra no misy ny seranan-tsambon' i Aqaba ao Jôrdania sy ny seranan-tsambon' i Eilat ao Israely.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/9/90/Gulf_of_Suez_map.jpg/640px-Gulf_of_Suez_map.jpg)
Atao hoe خليج العقبة / Khalij al Aqaba izy amin' ny teny arabo fa מפרץ אילת / Mifratz Eilat ("Hoalan' i Eilat") kosa amin' ny teny hebreo.