Hildegard von Bingen
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Hildegard von Bingen dia vehivevy moanina benediktina, mpahay siansan-javaboahary, mpanoratra, filôzôfa alemana teraka tamin' ny taona 1098 ary maty tamin' ny 17 Septambra 1179.
Hildegard of Bingen | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Hildegard of Bingen | ||
Teraka | 1 Janoary 1098 | ||
Maty | 17 Septambra 1179 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Alemaina | ||
Asa : |
| ||
Fiainana manokana | |||
Mpampianatry ny fiangonana (dokotera), sady nanana talenta maro, sady mamera tao amin' ny abey, mistika, mpahita fahitana, mpanao sary, mpamoron-kira, pôeta, mpanorina ary mpitory teny tao amin' ny Dokean' i Frankônia. Izy koa dia olona manan-danja amin' ny tamin' ny fara tampon' ny siansan' ny fitsaboana tao amin' ny mônastera tamin' ny faran' ny Andro Antenatenany Ambony, izay vanim-potoana tetezamita mankany amin' ny Andro Antenatenany Afovoany izay niainan' i Hildegard.
Olon-tsambatra ao amin' ny Eglizy Katôlika nanomboka tamin' ny taonjato faha-12 izy, tamin' ny taona 2012 izy dia nasandratra ho olo-masina sy notononin' ny papa Benoà XVI ho dokoteran' ny Eglizy.