Henôteisma
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny henôteisma dia fivavahana amin' andriamanitra iray manokana nefa tsy mandà ny fisian'ny andriamanitra hafa na ny mety hisian' ny andriamanitra hafa. Ivavahana amin' ny fomba feno ilay andriamanitra nosafidina fa ireo andriamanitra hafa kosa mety tsy hivavahana mihitsy (izay no atao hoe mônôlatria) na hanaovana fivavahana faran' izay maivana[1] [2].
Ny teny hoe henoteisma dia avy amin' ny fitambaran' ny teny grika hoe ἑνός θεός / henos theos, izay midika hoe "andriamanitra iray". Tsy afangaro amin' ny mônôteisma ny henôteisma.