From Wikipedia, the free encyclopedia
I Haifa dia tanàna amorontsiraka ao Israely, miorina eo amoron' ny Ranomasina Mediteranea. Heverina ho renivohitr' i Israely Avaratra i Haifa, ka izy sy ny manodidina azy dia nisy mponina manodidina ny antsasa-tapitrisa eo ho eo tamin' ny faran' ny taona 2008. Fantatra izy amin' ny fisian' ny seranan-tsambo lehibe misy rano lalina ao sy ny indostria simika lehibe ao aminy. Ao no misy ny Oniversite Technion.
Atao hoe חֵיפָה / Ḥefa izy amin' ny teny hebreo, fa حيفا / Ḥayfa kosa amin' ny teny arabo. Mbola tsy fantatra ny niandohan' ny anarany, na dia naroso aza ny teny hebreo hoe hof ("morontsiraka), na ny fampikambanana ny teny hoe hof sy yafe ("morontsiraka tsara tarehy") izay naroso vao haingana kokoa.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.